2 Timothy 3

1Fa fantaro izao: amin’ireo andro farany dia hisy ireo fotoan-tsarotra. 2Satria ny olona ho tia tena, tia vola, ho mpirehareha, ho mpandoka tena, ho mpanevateva an’Andriamanitra, tsy manoa ray aman-dreny, tsy misaotra, ary tsy masina. 3Tsy hanam-pitiavana ny fianakaviany izy ireo, mpanohitohitra, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hahery setra, tsy ho tia ny tsara. 4Ho mpamadika izy ireo, tsy misy eritreritra, mpanambony tena, tia fahafinaretana mihoatra noho ireo tia an’Andriamanitra.

5Hanana ny toetra toy ny an’Andriamanitra izy ireo, kanefa dia handà ny heriny. Mialà amin’ireny olona ireny. 6Satria ny sasany tamin’ireo dia ireo lehilahy izay miditra ao an-tokantrano ary mambabo ireo vehivavy adala. Ireo no vehivavy izay tsy afaka amin’ny fahotana sy voatarika amin’ireo filàna samihafa. 7Ireo vehivavy ireo dia mianatra foana, kanefa tsy ho tonga amin’ny fahafantarana ny fahamarinana mihitsy.

8Tahaka izany ihany koa i Jana sy i Jambra nitsangana nanohitra an’i Mosesy. Tamin’izany dia nitsangana ihany koa ireo mpampianatra sandoka ireo hanohitra ny marina. Izy ireo dia lehilahy simba fisainana, tsy nankasitrahana tamin’ny finoana. 9Fa tsy handroso lavitra izy ireo. Satria ny hadalany dia ho hita mazava amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo lehilahy ireo.

10Fa raha ianareo kosa, dia efa nanaraka ny fampianarako, ny fitondrana, ny fikasana, ny finoana, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana, 11ireo fanenjehana, ireo fijaliana, ary izay nitranga tamiko tany Antiokia, tany Ikonioma ary tany Lystra. Niharitra ireo fanenjehana aho. Avy amin’ireo rehetra ireo, dia namonjy ahy ny Tompo. 12Izay rehetra te-hiaina araka ny fomban’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy dia ho enjehina. 13Ireo olon-dratsy sy ireo mpisandoka dia ho any amin’ny ratsy kokoa hatrany. Izy ireo dia hitarika ireo olon-kafa ho any amin’ny lalan-diso. Ary izy ireo tenany dia ho voatarika amin’izany.

14Fa raha ianareo kosa, mitoera ao amin’ireo zavatra izay efa nianaranareo sy izay efa ninoanareo mafy hoe avy amin’iza no efa nianaranareo. 15Fantatrareo fa hatramin’ny fahazazana dia efa nahalala ireo asa soratra masina ianareo. Ireny dia hahavita hampahendry anareo ho amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy.

16Ny Soratra Masina rehetra dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Izany dia tombony ho an’ny fotom-pampianarana, ho an’ny fanondroana ireo diso, ho an’ny fanitsiana, ary ho an’ny fampiofanana amin’ny fahamarinana. Izany dia mba hahatonga ny lehilahin’Andriamanitra hahay tsara, sy ho voaomana tanteraka amin’ny asa tsara rehetra.

17

Copyright information for PltULB